Sosialy

Olana ara-pitiavana Nisotro asidra mba hamonoan-tena ilay tovovavy


  • Zoma 05 Mey 2023

Tafakatra 14 isa amin’ity tovovavy kely manodidina ny 15 taona ity ny isan’ireo tanora namono tena teto amintsika nanomboka ny volana Martsa teo.

Raha araka ny loharanom-baovao voaray dia vokatry ny olana ara-pitiavana no tena nanosika ity tovovavy kely ity hamono tena. Tsy mba nisy olona azony nitarainana sy nanaposahany ny alahelony anefa ka teny amin'ny bord Toamasina izy omaly maraina no nitsiatra. Efa tavoahangy tsy nisy na inona na inona intsony anefa no hita teo akaikiny ka rehefa nojerena izany dia asidra no tao anatiny. Efa nentina haingana tany amin'ny hopitaliben’i Toamasina moa ity tovovavy kely ity ka hatramin’ny omaly hariva dia mbola miady amin’ny fahafatesana. Raha araka ny fantatra dia izany Fanomezantsoa Marie Thérèse izany no anarany ary mpianatry ny lisea Frisquette ao Toamasina izy. Tsiahivina moa fa mila tohana ara-tsaina hatrany ny tanora tahaka ireny na lahy na vavy. Rehefa mahatsiaro ho irery sy tsy misy mpihaino mantsy izy raha araka ny fanazavan’ny psikology iray dia tsy ho voatazona mihitsy fa tsy maintsy ho tonga any amin’ny famonoan-tena hatrany. Maika araka izany ny fampitomboana isa ireo centre d’ecoute na ivon-toeram-pihainoana eto amintsika indrindra fa ho an’ireo tanora efa mahalala fitiavana.
Pati
Legende : Efa nitsiatra tahaka izao ity tovovavy ity vao nisy nahita
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT