Sosialy

Olana ara-drano Manomboka sosotra ireo mpianatra eny Ankatso


  • Alatsinainy 16 Desambra 2019

Manome fe-potoana hatramin’ny faran’ny taona ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony mpiahy azy sy ny CROUA ireo

 

 

 

mpianatra eny amin’ny bloc resto Ankatso I manoloana ny olana amin’ny famatsiana rano fisotro madio sedrain’izy ireo. Roa bidon isan’andro isan’olona mantsy no mba azon’izy ireo, ilaharana manomboka amin’ny 01 ora ka hatramin’ny roa ora maraina ihany fotoana tokony hatoriana, hany ka izy samy mpianatra indray no mifandramatra. Mila midio anefa izahay, hoy ny solontenan’izy ireo, mila misakafo ara-pahasalamana ihany koa sady mila mahandro ka takianay ny hijerena izany tsy misy hatak’andro. Nisy moa ny hetsika izay notanterahin’izy ireo teny an-toerana ny sabotsy teo nilolohavany seau sy namoahany ireo bidon miloko mavo tao an-tanàna rehetra narahin’ny siotsioka ho fanairana ny fitondram-panjakana. Efa am-bolana moa no niharetan’izy ireo izany, hoy hatrany ny vaovao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT