OLANA ARA-DRANO AO ALASORA

Nampiantso ireo tompon’adraikitra ny Ben’ny tanana


  • Alakamisy 14 Desambra 2023

Nampiantso ny tompon'andraikitry ny rano eo anivon'ny JIRAMA

sy ny sefom-pokontany ao Alasora sy Miadana niampy ny solotenan'ny mpanjifa ny Ben'ny tananan’ny kaominina Alasora Randriantsoa Jimmy omaly Alarobia maraina. Araka ny nambaran’ny teo anivon'ny Jirama, dia olana ateraky ny delestazy sy tsy fahampian-drano no misy ao Alasora, ary ny toerana avo no tena hiharan'ny olana.Tsy misy vahaolana fohy ezaka azo aroso arak'izany satria dia mbola simba ihany koa ireo kamiao mpanatitra ny ranon'ny Jirama. Mbola hijaly rano hatrany izany ny faritra avo ao Alasora. Voatery nandray ny andraikiny ny kaominina manoloana izany ka nanomboka nitatitra rano ho an'ny Fokontany Alasora sy Miadana izy ireo. Bidon miisa 1000 no notanterina, ary mbola mitohy izany anio Alakamisy. Hisy fandaminana manokana amin'io fizaran-drano io, indrindra fa ho an'ireo olona izay tsy mpaka rano eny amin'ny paompy. Izay aloha no vahaolana hitan’ny kaominina fa azo haroso. Tsy tonga nanatrika ity fivoriana ity hoy ny vaovao ny sefom-pokontany mirahalahy ao Miadana. Pati
Legende : Nandritra ny fivoriana notanterahina tao amin’ny kaominina omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT