Sosialy

Olan-tokantrano Lehilahy 40 taona namono tena teny Tanjombato


  • Sabotsy 12 Janoary 2019

Lehilahy iray indray no namono tena nitsoraka teny amin’ny tetezan’i Tanjombato omaly.

 

 

 

 Raha ny vinavinan’ireo nanatri-maso dia  manodidina ny 40 taona ity lehilahy ity ary mety nanana olana avy any an-tokantranony ka ny famonoan-tena no hitany fa vahaolana. Teo am-pitsorahana tao anaty rano mihitsy izy, raha araka ny vaovao azo no hitan’ny fokonolona ka niantso ny sampana mpamonjy voina avy hatrany ireto farany. Efa ny vatana mangatsiakany no nalain’ny sampana mpamonjy voina avy any anaty rano ka ny fitadiavana ireo fianakaviany sisa  no hany azo natao.  Ankoatra ireo maty an-drano dia maromaro ihany ireo olona namono tena teo amin’ity ranon’i Tanjombato ity tamin’iny taona 2018 efa nivalona iny, raha araka ny fanadihadiana natao. Vao miandoha indray anefa ity ny taona 2019 dia efa misy sahady, fihetsika izay tena  mampalahelo tokoa. Tsy vahaolana ny famonoan-tena na inona na inona zava-mitranga ary matoa misy ny olana dia misy hatrany ny vahaolana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT