OLAN'NY RANO AO ALASORA

Mitady vahaolana miaraka amin'ny Jirama ny Ben'ny tanana


  • Alarobia 22 Oktobra 2025

Efa ho 3 taona izao no nanana olana momba

ny fahazoana rano fisotro madio ireo mponina ao Alasora Avaradrano raha misy koa ireo 2 taona na 12 volana, miankina amin'ilay toerana. Tsy mitsahatra ny mitady vahaolana miaraka amin'ny Jirama hatrany ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy noho izany ka anisan'ireny ny famatsiana rano ny mponina amin'ny alalan'ny kamiaon'ny kaominina izay mitatitra rano im-polo mandroso sy miverina isan'andro amin'ny sinibe miatu 50 m3. Ankehitriny anefa dia maty io kamiaon'ny kaominina io antony hitadiavana vahaolana hafa indray. Tonga nijery ifotony ny fantson-drano mitondra ny rano avy any Mandroseza miazo ny kaominina Alasora omaly ny Jirama. Fantatra tamin'izany fa raha nahatratra 200 cm ny savaivon'ilay tuyau mitondra ny rano miazo ity tanana ity teo aloha dia lasa nihena ho 125 cm ankehitriny, antony tsy mahatonga ny rano hatrany an-tampon-tanana fa mety tsentsina. Na izany aza dia tsy mipetra-potsiny ity Ben'ny tanana ity fa miezaka mitady vahaolana hatrany, indrindra fa ny lavitr'ezaka no famaliana ny filan'ny mponina andavanandro. Tafiditra ao anatin'izany ilay tetikasa PAEP eny Ankadindratombo izay hamatsy rano ho an'Alasora manontolo fotsiny. Efa mandeha ny asa ary kasaina ho vita ao anatin'ny 6 ka hatramin'ny 12 volana.
Pati
Légende : Randriantsoa Jimmy, Ben'ny tananan'ny Kaominina Alasora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT