Tapitra ny fe-potoana 72ora nomen’ny mponina eny Faravohitra nanomboka tamin’ny talata teo, nanaovany hetsika nanairany ny fanjakana amin’ny famahana ny olan’ny famatsiana rano.
Hiroso amin’ny hetsika mafimafy kokoa anio satria tsy nivaly ny fitakiana. Tsy ny eny Faravohitra ihany fa hanampy ireo mponina ny avy amin’ny fokontany manodidina izay tratry ny fijaliana amin’ny rano mba hanamafisana ny fanairana ny fanjakana sy ny JIRAMA amin’ny olana zakaina. Ny vahoaka Malagasy mandoa vidin-jiro sy rano ara-dalàna ka nahoana no eny amin’ny Minisitera, fonenan’ny miaramila sy zandary, tranon’ny mpianatry ny oniversite,… no tsy tapahina fa ny an’ny vahoaka tsotra hatrany izay mandoa ara-dalàna foana no lasibatra, hoy ny fanamarihana. Misy toerana tsy azo tapahina sy tsy azo hamaivanina, kanefa ireo no tena mandany volam-bahoaka. Nomarihin’ny raim-pianakaviana iray fa efa nasaina nanatona ny tale teknikan’ny rano eo anivon’ny orinasa JIRAMA ny tenany mba hanazavana ireo maharary ny mponina. Nampanaovin’ity tompon’andraikitra ity ny drafitra mankeny Faravohitra izy toy ny lalana… kanefa tsy mbola nisy hatramin’ny omaly fotoana niresahany tamin’ny mpanao gazety ireo tompon’andraikitra tonga nijery teny ifotony. Mitaky am-pilaminana izy ireo, ary manamafy hatrany fa tsy misy ambadika politika araka ny voizina any amin’ny tambajotran-tserasera ny hetsika ataon’izy ireo. Nilaza ny hanapaka ny làlana izy ireo, raha tsy mivaha ny olana. “Rano kely io aza tsy voafehinao, kanefa hanao Tanà-Masoandro isika dia inona izany no hamatsiana rano an’io ?”, hoy ny mponina etsy Faravohitra ny talata lasa teo. Manomboka miakatra indray ny maripana eo anatrehan’ny olana sosialy mampikolay amin’izao fotoana izao. Mety hafampana eny an-toerana anio.
Toky R/ Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.