Sosialy

Olan'ny herinaratra Andrasana ilay fandraisan'andraikitry ny Filoha


  • Talata 28 Jona 2022

Handray andraikitra ny mpitondra, hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, nandritry ny fandalovany tao Ambovombe,

raha niresaka momba ity olan'ny herinaratra manerana ny nosy ankehitriny ity. Vao omaly ny omaly anefa dia naharaisana fitarainana ny tany Antsohihy fa toy ireny niverina tany amina taonjato lavitra be fony mbola tsy nisy hazavana ireny satria tsy nisy herinaratra omaly tontolo andro. Ny eto an-drenivohitra moa dia efa toy ny sakafo fihinana isan'andro, indrindra, eny amin'iny boriboritany faha 5 iny izay olan’ny herinaratra miampy fahatapahan-drano izay. Ny sabotsy teo izao dia isany naharaisana fitarainana izay sady tsy fisian’ny rano no tsy fisian’ny herinaratra izay ny tolakandro teny Amboditsiry sy ny manodidina teny. Omaly indray dia tratry ny fahatapan'ny herinaratra ny teny Ambatomainty, andro vao amin'ny 6 ora hariva. Aiza ilay fandraisan'andraikitry ny fanjakana sa andrasana rehefa tena ankatoky ny fifidianana amin’ny 2023?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT