Sosialy

Olan`ny famatsian-drano Hovahana hatramin’ny faran`ny volana


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Taorian`ireo tabataba sy fitokonana maro samihafa noho ny fahatapahan-drano teto an-drenivohitra dia nivoaka tamin`ny fahanginana ny fitondram-panjakana.

 

 

 

 Nilaza ny minisitry ny angovo ny rano ary ny akoranafo, Vonjy Andriamanga fa hampitomboina avo telo heny ny famatsiam-bola natokana ho an`ny rano entina hisorohana ny olana toy izao. Nitondra fanampiana 60 tapitrisa euros ihany koa ny Vondrona Eoropeanina raha ny tatitra nataony. Tanjona ao anatin`izany ny hampisitraka rano fisotro madio ho an`ny faritra 22. Hisy toby famokarana rano vaovao eto an-drenivohitra satria ny mponina dia mitombo, hoy ihany izy. Hampiana dimy ny lava-drano na “forage” izay hamatsy ny renivohitra. Hisy koa fanavaozana ireo fantsona antitra eto Antananarivo Renivohitra. Antitra loatra ireo fotodrafitrasa ka tsy mahasehaka ny fitombon'ny mponina izay zary mijaly amin'ny famatsiana rano. Anisan'ny vahaolana lavitr'ezaka ao anatin`ny 10 na 15 taona ny fanatsarana sy fanavaozana ireo fantson-drano eto Antananarivo sy fametrahana “schéma directeur” momba ny famatsiana rano fisotro madio. Manoloana izany dia voalaza fa amin`ity faran`ny volana ity ny fe-potoana hamitana fotodrafitrasa hamatsy rano toy ny tobin-drano ao Amoronankona sy Ambohidrapeto. Toerana 26 hafa eto an-drenivohitra ihany koa no hametrahana siniben-drano, izay hitovy eny amin`ny vidy eny amin`ny paompy ny vidiny. Andrasana, araka izany, ny vokatra afaka fotoana fohy.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT