Sosialy

Olan-drano fisotro madio ao Betafo Tena mbola tsy milamina, hoy Ra-Theo Fibemih


  • Zoma 11 Oktobra 2019

Tsy mety milamina, araka ny nambaran-dRa-Theo Fibemih mpitarika ny Mpitarika ny Garduc Vakinankaratra “Vondrona mpiaro ny Zon’ny mpanjifa ao Vakinankaratra”

ny fomba fitantanana ny rano fisotro madio ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Betafo satria mitongilana mankany amin’ny mpitantana ny rano fotsiny hatrany ny fiarovan’ny tompon’andraikim-panjakana ao an-toerana sy ny eo anivon’ny Sampandraharaham-paritry ny Rano Vakinankaratra ny Zo sy ny Tombontsoa fa tsy misy fijerevana velively ny Zo sy ny Tombontsoan’ny Mpnjifa. Toy ny resaky ny moana sy ny marenina ny zava-misry fa ilay orin’asa mpitantana ny rano dia manezaka mafy hatrany mametraka ireo tsindry samihafa ampitomboiny ny fakana vola amin’ny mpanjifa (fampandoavana 1500 ar hoan’ireo tara fandoavana faktiora sy fampandoavana 10000 ar vao mahaverina rano tapaka. Ankilany kosa dia tsy mba henoina mihitsy ireo mpanjifa mampahatsiahy an’ireo tompon’andraikitra ny zavatra nifanarahana (Tahazoana Compteur vaovao amin’ny vidiny mirary, fandehanan’ny rano 24 ora amin’ny 24 ora ary ny fanadiovana ny rano efa nandoavan’ny mponina vola).  ary ao anatin’ny. Hanaovanay aty Betafo fanairana ny tompon’andraikim-panjakana mba hijery sy hanao fanadiadiana eny ifotony ny zava-misy.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT