Sosialy

Olan-drano eto Antananarivo Nanomboka ny taona 2007


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Nanomboka ny taona 2007 no niofo tsikelikely notantanina fikambanana anaty fokontany ireo paompin-dranom-panjakana teto Antananarivo, izany hoe,

 

 fotoana fohy taorian’ny nandraisan’ny filoham-pirenena ankehitriny ny toerana maha ben’ny tanàna ny renivohitr’i Gasikara azy. Teo ihany koa no nanombohan’ny fandoavam-bola rehefa mantsaka eny amin’ny paompim-panjakana. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra amina boriborintany iray dia anisan’ny miteraka fahasahiranana amin’ny fanaraha-maso ny vola miditra amin’izy ireny anefa ny tsy fisian’ny rosia akory omena ireo mpantsaka. Tsy ferana ny mety ho fakampanahin’ireo mpiandry mpaompy na ireo mpitarika ny fikambanana hanodina ny volan’ireo fikambanana ho amin’ny tombontsoany manokana. Zava-misy tamina fokontany iray mampitaraina ireo mponina, ohatra, ny fanenan’ireo mpitantana ny paompy mihitsy ny fandehanan’ny rano ka miteraka filaharana zerikanina mavo lavareny. Hampitombo ny vola miditra amin’ireo fikambanana ve no antony ? Etsy an-kilany, ny famatsian-drano isan-tokantrano avy eo anivon’ny orinasa Jirama koa anefa mampikaikaika ny maro. Andrasana ny fidinana ifoton’ity orinasa ity hanarahany maso ny zava-misy marina sy handraisany ny fepetra tandrify.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT