Sosialy

OIF sy faritra Vatovavy Hanao tetikasa kopia miisa 8000


  • Alakamisy 22 Jona 2023

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny sampan-draharaha misahana ny firenena miteny Frantsay na OIF etsy

Antaninarenina ny fifanarahana momba ny tetikasa fanaovana kopia ho an’ny zaza vao teraka sy ankizy hatramin’ny 17 taona any amin’ny faritra Vatovavy. Karazana fanonerana izy ity, hoy ny fanazavan’ny governoran’ity faritra ity, Dr Randrianarison Maurice Lucien, satria hatrany amin’ny 40.000 any no isan’ireo ankizy mbola tsy manana izay kopia nahaterahana izay any amin’iny faritr’i Vatovavy iny. Iarahan’ny OIF sy ity faritra ity miombon’antoka, araka izany, ny tetikasa ka kopia hatrany amin’ny 8000 isa no ho vitaina mandritry ny 6 volana eo amin’ity dingana voalohany ity. Isan’ny antony mahatonga izay tsy fahavitan’ny kopia izay ny tsy fiterahana any amin’ny hopitaly fa renin-jaza, hoy ny governora. Eo ny fahasahiranana, ny fandaozan’ny ray ny reny eo am-piterahana, ny fahasahiranana navelan’ireo rivodoza miisa 3 nifanontona sy ny maro samihafa. Antoky ny fanabeazana nefa ny fanomezana kopia ary fantantsika fa fototry ny fampandrosoana izany fanabeazana izany. Raha mbola be ny bado any aminay dia tsy afaka handroso mihitsy izahay ka anton’izao tetikasa izao izany. Ankoatran’izay moa raha ny mikasika ny fampandrosoana ny faritr’i Vatovavy dia maro ny fotodrafitrasa tafapetraka any na dia ao aza ny fandalovan’ireo rivodoza. 6 andro izay no tafapetraka ny vato fototry ny hopitaly manara-penitra. Ny lapan’ny tanana, ny toeram-pandraisana retirety efa vita. Nisy fahasimbana kely ny kianja tamin’ny fandalovan’ny rivodoza fa ireo rehetra ireo dia efa fotodrafitrasa mipetraka any. Isaorana ny fitondram-panjakana nanome famatsiana na «subvention» 2 miliara Ariary hanaovana rarivato amin’ny distrika miisa 3 izay misy an’i Vatovavy, Nosy varika, Mananjary, Ifanadiana. Potiky ny rivodoza ny famokarana fa iny indray no mahatonga ny tany hamokatra, araka ny tenin’Andriamanitra hoe miara-miasa hahasoa ny zava-drehetra. Febroary teo moa ny rivodoza. Isika izao jona dia mbola nisy fotoana nahafahan’ny mpamboly namokatra izany. Niakatra be ny vokatra tamin’ity taona ity na ny lafiny vary izany na voly an-davan’andro, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT