Sosialy

Ny vidim-piainana mihazakazaka Ny vahaolana tahaka ny sokatra


  • Alarobia 20 Jolay 2022

Tsy finiavana hitsikera na hanakiana be fahatany fa tsy arakaraka ny zava-misy manjo ny vahoaka ny vahaolana aroson'ny Fanjakana ankehitriny.

Na milalao serasera na mitady izay azo hanilihana rihitra, na mampiady vahoaka, na manao didy jadona,... Efa tapa-bolana izay no niakatra ny vidin-tsolika, novoizina ny hoe: raha ny mpanohitra aza no teo 10 000Ar io. Afantoka any amin'ny sehatra iray tahaka ny taksibe ny mason’ny rehtra, fa ny zava-drehetra hodiana adala, ary mbola misy endrika fampiadiana vahoaka aza. Ny firaisamonim-pirenena milaza fa tsy niaraha-nanapaka ny fampiakarana vidin-tsolika midangana be satria tsy nomena fahalalahana haneho hevitra izy ireo na nasaina aza, ireo mitonona ho mpiaro ny zon'ny mpanjifa fa nalalaka ny fanehoan-kevitra,... Ny Filoha no miteny am-bava fa 600Ar ny taksibe avy eo misy tsy manaraka. Raharaham-pirenena sy raharaham-panjakana no resaka eto, tany anaty lapam-panjakana no nifampiresahana. Nahoana no tsy nisy taratasy voasonia mazavan'ireo rehetra nandray anjara na ny dinika vidin-tsolika na ny dinika saran-dàlana ? Lasa ny samy vahoaka no miady, sehatra iray no toa hitarihana ny sain'ny olona, vahaolana petatoko sy jadona tsy misy fepetra mifandraika amin'ny zava-misy na "mesure d'accompagnement", toy io resaka saran-dàlan'ny taksibe io. Asa ho an'ny vahoaka na "service public" io, fa asa fandraharahana ihany koa.Tena izay ve no fomba fitantanana mahomby rehefa misy olana sy mitaraina ho maty antoka hoe: atero aty ny "licence" rehefa tsy hiasa, hosintonina ny "licence" ho an'izay mbola manao 800Ar,... Tsy homen-tsiny ny vahoaka mitaky sy maniry saran-dàlana 600Ar na latsak'izany aza. Tsy homen-tsiny ihany koa ny mpitatitra mitaky 800Ar satria tsy mandeha rano io. Tsy tokony ho diso fahavalo sy hifanenjika ny andaniny sy ankilany sao ho diso fahavalo. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe: inona no vahaolana sy fepetra mahomby aroson'ny Fanjakana ankoatry ny tery vay manta? Voadona ny sehatra rehetra tsy ankanavaka. Ny orinasa lasibatry ny delestazy, ny mpivarotra mitombo ny mason-karena noho ny saran-dàlana sy ny haratsian-dàlana satria tsy hita hoe nankaiza ny volan’ny FER (Fonds Routier), ny savony 500Ar lasa 1800Ar, ny menaka novidiana 4400Ar tany aloha efa ho tonga 14000Ar, ny siramamy 3500Ar lasa 5000Ar.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT