Ny valala tsy maty, tonga indray ny voalavo

Potika ny voly, ahiana ny Pesta


  • Alatsinainy 17 Jona 2024

Potika ny an-tsasamanilan’ny fambolen’ireo mponina any amin’ny distrikan’i Morombe.

Noho ny firongatr’ireo andiam-boalavo voalaza ho hafahafa no anton’izany ka ny vary no tena hataony mahita faisana. Tsy hanavahana izany na an-tanimbary na voly avotra. Ho an’ireto farany dia mandavaka ireo voalavo ary mipetraka ao ambanin’ilay vary mihitsy izy sy ny fianakaviany . Ho an’ny eny an-tanimbary indray raha ny fanazavan’ireo tantsaha dia mahasahy milomano mihitsy izy ireo satria tsy mataho-drano ka mihinana izay laniny. Tsy latsa-danja amin’izany ny mahazo ireo vomanga sy mangahazo. Tapahin’ireo biby kely ireo eny ifotony mihitsy ny fakan’ireo vokatra ireo ary haniny izay voany efa misy. Velon-taraina mafy ireo tantsaha noho izany. Tsy misy antenaina intsony mantsy ny fambolena izay efa tsy nitandroana nisasarana nefa ny vola lany koa tsy misy tafaverina. Nanginy fotsiny ny aretina pesta izay tena atahoran’izy ireo fatratra ihany koa. Raha ireto andiam-boalavo ireto mantsy sanatria no miakatra an-tanana rehefa tsy mahita hohanina intsony hoy ny mponina dia ho ripaky ny aretina vokatry ny parasy entiny ihany koa ny mponina raha sanatria ka misy izany. Tsy mbola nisy moa hatreto ny fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana hiarovana na hanampiana azy ireo hoy hatrany ny mponina. Ny valala tsy voafehy any amin’ny tapany atsimo andrefan’i Madagasikara, dia io ihany koa fa misy ny toerana lasibatry ny voalavo. Henjana ny mety ho voka-dratsiny.
Pati
Legende : Tokony hanaovana operation tahaka izao ireo andiam-boalavo any Morombe any !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT