Sosialy

Ny teo tsy tafarina Mandindona ny rivodoza manaraka


  • Zoma 28 Janoary 2022

Ny takaitran’ny andro ratsy Ana farany teo tsy tafarina, dia efa mandindona an’i Madagasikara sahady ny rivodoza vaovao.

 Misy andro ratsy miforona ao amin'ny Ranomasimbe Indiana, 3.373 km miala ny morotsiraka Atsinanan'i Madagasikara no misy azy. Nahazo anarana “Batsirai” omaly noho ny fitomboan’ny heriny. Niainga tamin’ny tafio-drivotra 85km/ora, 20km/Ora ny fikisahany. Tafiakatra ho rivodoza mahaery vaika, tao anatin’ny 9ora, ka omaly 27 janoary tamin’ny 4ora hariva no niovany ho “cyclone intense” nitondra rivotra 165 km isan’ora arahina tafiotra 230 km isan’ora. Tany amin’ny 3 373 km niala ny morontsirak’i Toamasina ny foibeny, izay mbola tsy misy fiantraikany amin’ny toetr’andro eto Madagasikara. Ahiana hitombo hery, ary sokajiana ho loza manambana an’i Madagasikara. Ahiana hitombo ny loza mandindona ao anatin’ny herinandro ho avy. Tany amin’ny 2525 niala an’i La Réunion, 3 740 niala an’i Mayotte, 3 373 niala an’i Madagasikara no nisy azy, ary alahady na ny alatsinainy izao no heverina fa hipaka amin’ny faritra Mascareignes ity rivodoza ity, raha ny tomban’ny Météo France Réunion. Vinavinaina hiditra an-tanety any Atsimo Antsinanan’i Madagasikara ny 05 na 07 Febroary 2022 izao eo anelanelan'i Maroantsetra sy Taolagnaro izy io.
ENCADRE
Loza mandindona tsy azo hamaivanina io. Ambony ny risika hidirany eto Madagasikara, ka mila miomana ny rehetra. Samy manana andraikitra na ny Fanjakana na ny vahoaka. Mba efa nandray lesona tamin’ny andro ratsy farany teo ve ny mpitondra ? Manao ahoana ny fiomanana ara-bola sy ara-pitaovana ho an’ny Fanjakana? Milamina ve ny famatsiana amin’ny endriny rehetra ho an’ny filàn’ny mponina andavanandro, Ho an’ny vahoaka ihany koa tokony hiomana amin’ny fiarovana, fahamailoana, ny ara-tsakafo sy filàna maro samihafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT