Sosialy

Ny Rado Rafalimanana “Hatreny am-bavahadina masoivoho ny fako”


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Naneho ny fijeriny momba ny fakon’Antananarivo i Ny Rado Rafalimanana omaly.

 

 

 

 “Ry Antananarivo, voaozona ve isika sa tsy maintsy miaina ao anatin'ny fako foana ve isika? Ny mampalahelo dia tsy misy tompon'Andraikitra mihitsy izay asaina mitantana fa samy manao ronono an-tavy hatrany, hoy i Ny Rado Rafalimanana omaly. Dia hilaza indray ianareo mpitantana ny tanàna fa tsy misy “Education civique” ny olona mipetraka eto fa tsy mahay manary fako? Ity Fako ity anefa izao dia eto amin`ny vavahadin`ny Résidence Ambassadeur Amerikanina eto amin`ny cité Planton, hoy izy namoaka sary. Tsy ampy “Education civique” ve izany ny Masoivoho Amerikanina sy ny mpiray vodirindrina azy sa ahoana ? Feno Voalavo sady petsapetsa ary mino aho fa tsy hoe ela ny aretina hateraky izao. Dia variana ihany ny tena hoe tsy eny Andavamamba na Andranomanalina na Isotry fa ety amin`ny Faritra misy ireo manankatao eto Antananarivo ary tsy misy miteny, fa dia aleo samy miaina amin`ny loto. Misy kabary nilaza fa haterina any aminy ireo fako ireo raha mbola eo raha izy no lany. Eny Amin’ny Parvis Analakely ve? Eny àry! manentana ny rehetra aho hankato ny tenin'ireto mpitantana voafidy. Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara. Amiko, Very ilay Madagasikara, izay no azo tsohaina, Hoy i Ny Rado Rafalimanana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT