Sosialy

Ny mpitondra manao izay tiany Ny vahoaka ajoboka anaty maloto


  • Zoma 15 Janoary 2021

Iompanana adihevitra lehibe amin’izao fotoana izao ny endrika sazy ampiharina

 

 

amin’ireo tratra tsy manao arovava orona. Tonga hatrany amin’ny fanerena olona hijoboka, hisikotra sy handroaka fako anaty tatatra misy tay sy amany, izay maro ny mandika izany ho efa fanitsakitsahana ny zo maha olona. Zava-dehibe ary tokony hatao ny sazy ho an’izay tsy manaja ny fepetra, saingy tokony hatao ao anatin’ny fanajana lalàna sy ny zo maha olona kosa. Hatreto, tsy mbola namoaka didim-panjakana maneho ny fampiharana ny « Etat d'urgence sanitaire » na fahamehana ara-pahasalamana vaovao. Ireny no mametra ny tsy fahafahana mivorivory, ny fanasaziana olona hanao asa mahasoa ny daholobe na TIG, eny hatrany amin’ny fanadiana ny sisin-tany,... Mametraka mazava ny fahalahan'ny tsirairay hiaina, hivezivezy na ny tenany na ny fananany ny lalàmpanorenana. Malalaka ny hivoaka sy hiditra an-tanindrazana. Misy kosa anefa ny lalàna izay omen'ny Lalampanorenana ahafahan'ny fanjakana mametra izay fahafahan'ny tsirairay izay hitsonjavana ny tombotsoa iombonana, saingy tsy misy izany fa mandehandeha ho azy hoentina amin’ny kitaitaitra hoe : te hanasazy dia raikitra tsy misy lalàna mazava fa vitan’ny am-bava fotsiny. Sanatria ny hoe manohitra ny fepetra sy fisorohana ary manome vahana ny tsy fanaovana arovava fa mila manara-dalàna ihany koa aloha ny mpitondra. Asa te handrefy ve ny Fanjakana hoe hatraiza ny fara-fahazakana sy fandeferan’ny vahoaka eo anatrehan’ireny fanerena olona hijabaka any anaty ranon-tay amany ireny ? Ny madinika ampihosonina maloto fa ny manam-pahefana manao izay reviny : Hatramin’ny Filoham-pirenena ny alahady manamafy ny sazy ho an’ny tsy manao arotava (22 aogositra 2020), ny talata izy irery no tsy manao arotava eo am-pizarana tsinjo fameno (Ambatomaro 25 aogositra 2020) ; ny sisin-tany lazaina mikatona, fa ny manam-pahefana mampiditra artista Afrikanina Tatsimo mamory vahoka tsy misy fepetra voahaja (Oktobra 2020),... Manao tari-bato vilam-bava, faly hanapatra fahefana, fa tsy mahay mipetraka ho fitaratra. Entanina hatrany ny olona hiaro ny tenany sy ny hafa na izany na tsy izany.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT