Sosialy

Ny kere manao ny ataony Kianja no hajoro ao Ambovombe


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Niely nanomboka ny alatsinainy teo ny vaovao momba ny hananganana Kianja mitafo manara-penitra any Ambovombe Androy.

 

Voalaza fa efa tonga any an-toerana ny fitaovana hanatanterahana izany. Tafiditra ao anatin’ireo veliranon’ny Filoham-pirenena io. Efa ao anatin’ny tetikasa ihany koa ny fanamboarana ny kianja manara-penitra ao Ambovombe ihany. Toerana isan’ny mbola miady mafy amin’ny tsy fahampian-tsakafo na ny kere ny any Ambovombe. Am-polo taonany maro tsy nahitam-bahaolana. Asa na mifanaraka amin’ny zava-misy ny hananganana kianja manara-penitra. Tsy hoe tsy ilaina izany, tsy hoe ratsy,… fa tena io ve no zavatra maika sy mafonja ilaina hapetraka any an-toerana? Ny vahoaka noana, tsy misy hohanina, ka inona no ilany sy hery hoentiny amin’ny kianja mitafo sy ny resaka fanatanjahantena? Ny hanina hoaniny aza tsy hitany ka inona no ilany kianja any sa vokin’ity famalifaliana etsy sy eroa ity ny olona? Zary lasa haingo ambony tsikoko, ka tsy arakaraka ny olana miseho sy vahaolana andrasana ny setriny avy amin’ny Fanjakana. Misongadina hatrany ilay fomba fiasan’ny Fitondrana toa lasa fanesoana vahoaka satria hafa ny olana ilàna vonjy sy vahaolana mafonja sy maharitra, fa ny azy zavatra hafa mihitsy ny no mahamaika. Te hametraka tandindona velona azo hampisaina amina propagandy? Mahita vola sy làlam-bola hanaovana zavatra toa miendrika rendrarendra ny mpitondra, fa tsy maintsy miandry mpiara-miombon’antoka, toy ny Sampan-draharaha maneran-tany momba ny sakafo (PAM), UNICEF,… kosa hisolo vaika ny asany eo anatrehan’ny kere any Atsimo. Tsy mahita sy tsy manana vahaolana mafonja, fa variana amin’ny kisehoseho sy kajikajy politika. Asa izany tokoa angamba no atao hoe fampandrosoana manara-penitra sy làlana makany amin’ilay hoe ho sangany aty Afrika?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT