Sosialy

NOVEGASY Hanomezan-danja ireo horonan-tsary mihetsika Malagasy


  • Alarobia 18 Martsa 2020

Tsy afa-misaraka amin’ny kolontsaina Malagasy ny tantara hoy ny ministry serasera sy ny Kolontsaina Rtoa Andriantongarivo Lalatiana, omaly tetsy amin’ny Canal Olympia.

 

 

Izany indrindra no nanosika ny Ministera izay tantanany hifanome tanana amin’ny Canal Plus Madagascar amin’ny fanatanterahana ilay fandaharana Novegasy ao amin’ny canal 109 manomboka anio alarobia 18 martsa. Tantara Malagasy rano fotsiny no handeha amin’izany izay hosantarina tantara mitohy telo vaovao iarahana amin’ny Avoko sy ny ekipany na ny wisa ao anatin’ilay tantaram-pitiavan’olon-droa misy gidragidra. Eo ihany koa ny Rahadala, tantara mahatsikaiky sy mahavariana nefa azo angalana lesona arahin’ny  Anjara tsy diso, tantaram-piainana tanora te-hiala ao anatin’ny fahantrana. Tsy ho latsa-danja amin’ireo ny Safelika tantara Malagasy  izay nahafantarana ny Scoop digital hatramin’izay no sady be mpangataka indrindra. Raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Canal plus Rtoa Onjatiana Razafindrakoto omaly dia nofantenan’izy ireo manokana avokoa ireo horonan-tsary mihetsika izay alefany  ireo mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena raha anisan’ny nanampy azy kosa ny T MATV. Afaka roa volana indray moa dia hisy ny andian-tantara Malagasy vaovao izay tsy ho hita afa-tsy ao amin’ny Novegasy irery ihany ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa sy ho fanandratana ny kolontsaina Malagasy. Omaly no nampahafantarana ireo rehetra ireo teny Andohatapenaka, natrehina mpilalao sary mihetsika maro sy mpamokatra isan-karazany. Mikasika ny ady amin’ny piraty moa dia fantatra fa efa eo am-pametrahana ny borigady miady amin’izany ny ministera ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT