Sosialy

Notereny ho malemy ny zanany Nahazo fahafahana vonjimaika ilay ramatoa


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Nahazo fahafahana vonjimaika ilay ramatoa iray 30 taona nanao fitaovana ny zanany tsy manan-tsiny mba hahazoany vola rehefa nentina teny amin’ny Fitsarana ny alatsinainy teo.

 

 

 

 Raha tsiahivina fohy ny tantara dia efa in-droa nosamborin’ny polisy ity renim-pianakaviana mpangataka ity noho ny fihetsika mampalahelo hataony. Nopetahiny ireny vy hitsaboana zaza malemy ireny mantsy ny tongotr’ilay zanany mba hihantran’ny olona azy mianaka ary hampitomaniany mihitsy rehefa misy mpandalo. Zaza afaka mandeha sy salama tsara anefa ity zaza ity raha araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Marihina moa fa efa nampahafantarina ity renim-pianakaviana ity ny fandikan-dalàna nataony tamin’ny fampijaliana ilay zaza tamin’ny fotoana nisamborana azy voalohany saingy mbola namerina fanindroany ihany izy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT