Sosialy

NOSYBE SYMPHONIE Hanomezan-danja ny gadona klasika


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Hotanterahina manomboka ny zoma 30 septamba ho avy izao ny fankalazana ilay hetsika « Nosy Be Symphonie » izay karakarain’ny « Comité d’Organisation d’Activités Culturelles ».

 

 

 Andiany fahenina izy ity, izay   haharitra sivy  andro ka ankoatra an’i Nosy be izay hijananony mandritra ny roa andro dia handalo eto Antananarivo izy ireo. Toerana telo no ahitana izany toy ny eny Andralanitra misy an’ny mompera Pedro, ny ao amin’ny IFM Analakely ary ny hotely Tsanga Tsanga etsy Tsaralalana. Hivoitra mandritra ny fampisehoana hataon’izy ireo ny hampiainana indray ny malagasy ny gadona klasika izay tsy dia  mahazatra ny rehetra loatra.  Mahakasika ny fandalovan’izy ireo eny Andralanitra manokana dia nambaran-dRahaingomanana Bodo, anisan’ireo mpikarakara fa ny hanampiana ireo ankizy sahirana eny an-toerana hankafy ny gadona klasika no tena tanjona. Manana fikasana ny hanokatra ivontoerana fianarana mozika klasika maimaimpoana ho azy ireny mantsy izy ireo. Efa manomboka ny fanangonana ny fitaovana ilaina amin’izany ho an’ireo malala-tanana eny fa na dia efa misy simba aza izany ka ilana fanamboarana. Tsiahivina moa fa mpanakanto malaza eto an-toerana sy fantatra maneran-tany miisa 30 no ho avy hanafana ny fotoana mandritra izany ka anisan’ireny ilay mpitendry piano  Elizabiata Dekek, ilay hanafana ny cantiamo….

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT