Sosialy

Nosy Varika Trano 21 lasa lavenona


  • Alatsinainy 14 Febroary 2022

Kilan’ny afo ny trano iray izay mpanao cyber tao amin’ny fokontany Tsararivotra distrika ny Nosy Varika omaly alahady 13 febroary 2022 tokony ho tamin’ny folo ora maraina.

 Tsy fantatra mazava izay tena antony nampirehitra io trano io fa ny afo izay efa niredareda vao samy taitra ny mponina manodidina . Raha ny fantatra dia mampiasa ‘panneau solaire’ ny tompon’ny trano saingy noesoriny avokoa ny tady vy izay mitondra ny herinaratra. Fotoana izay tsy nahat eo ny tompon’ny trano izay lasa nivakaka no nitranga ny loza ka tsy nisy entana voaray tao amin’ny trano izay loharano nipoiran’ny afo. Trano miisa 21 arak’izany no lasa lavenona tao amin’ny distrikan’i Nosy Varika omaly ary niparitaka tamin’ny trano eo akaiky. Raha ny tatira azo avy amin’ny solombavabahoaka Nosy Varika Baofeno Micheline dia trano 15 hafa no tsy maintsy noravaina izay ahiana mety hirehitra. Tafakatra 27 ireo olona traboina ao amin’ny fokontany Tsararivotra tampon-tananan’i Nosy Varika faritra Vatovavy fitovinany vokatra ity trano kilan’ny afo. Ripaky ny afo ihany koa ireo entana sisa izay navelany tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai. Ireo fianakaviana sy ny olona manodidina no nandray sy nihantra ireo olona tratrin’ny hay trano io. Mitombo isa indray izany ireo vahoaka traboina ao Atsimo atsinanana taorian’ny loza takaitra napetraky ny farany reo . Nanolotra fanampiana vonjimaika ho an’ireo traboin’ ny haintrano ny solombavabahoaka Baofeno Micheline hamonjena . Vary sy lelavola no azo tamin’izany. Raha ny firehetana niseho no resahina dia efa tsy misy azo ampiasaina intsony ny tao amin’ilay trano fototra ny afo. Indroa izao ity trano nihara-boina ity traha-doza izay tsy ampy firy andro ny vaky trano nahazo ny tompony ka izao lasa lavenona izao indray ny sisa teo am-pelatanan’ireo fianakaviana.
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT