Sosialy

Nosy-Be Hell-Ville Niampy ireo fotodrafitrasa isitrahan’ny vahoaka


  • Alarobia 29 Aogositra 2018

Notokanana omaly talata 28 aogositra ny fotodrafitrasa fototra tao Nosy-Be Hell-Ville, dia ny ivon-ketra, rano fisotro madio, ny fametrahana ny toby famokarana mandeha amin’ny herin’ny masoandro.

 

 

 Ny filoha Hery Rajaonarimampianina no tonga nitokana ny asa tany an-toerana. Nambarany fa i Nosy-Be dia vavahadin’i Madagasikara, raha ny fizahantany no resahina. Tanàna, nosy ary tiako hatao modely ho amin’ny fampandrosoana amin’ny endriny samihafa ary tiako hotohizana, hoy izy. Notsindriany manokana ny fametrahana ny toby famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro izay tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina, miteraka fihenan’ny tahan’ny famokarana ao amin’ny Jirama izay lafo amin’izao. Hisy ihany koa ny fitadiavana mpampiasa vola ho an’ny SIRAMA, ka ao anatin’ny fiarovana ny tombontsoam-bahoaka no hanaovana azy, hoy izy. Mba manararaotra mitokan-javatra faramparany izy satria ny 7 septambra farafahatarany dia tsy maintsy hiala amin’ny maha filoha azy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT