Sosialy

Norovony Hanitriniaina , 25 taona Nandoa rà tsy nijanona, sitrana tao amin’ny FITRAMA


  • Zoma 12 Jona 2020

Fikambanana iray manohana sy miezaka mampiroborobo ny fitsaboana nentim-paharazana ny FI.TRA.MA na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy.

 Mitsabo amin’ny alalan’ny zava-maniry sy ny otra izy ireo ka tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana sy ny fampivoarana ny fitaovana hampiasaina. Tao anatin’ny iray volana sy tapany nijoroany anefa dia efa maro sahady ireo olona nahita voka-tsoa tamin’izany toy ity tovovavy iray mijoro vavolombelona ity.

EFA NIDITRA HOPITALY

Tovovavy iray vao 25 taona monja Randrianjatovo Norovony Hanitriniaina, monina eny Ilanivato Anosipatrana. Nanana olana ara-pahasalamana izy tao anatin’ny telo taona raha araka ny fanazavany. Narary havokavoka raha izay no hilazana azy, antony nahatonga azy nandoa rà tsy nijanona. Efa niditra hopitaly teny Befelatanana mihitsy izy nandritra izany ary nanao traitement. Herinandro ny nitsaboana tena tao amin’ity hopitaly ity izy no nivoaka. Na izany aza anefa dia mandoa rà hatrany izy isaky ny migadona ny amin’ny 12 ora alina. Tsy isan’andro anefa izany saingy matetika kosa raha araka ny fanazavan’i Norovony. Efa nanao fitsirihana ny aretina tiberkilaozy ihany koa izy satria mikohoka saingy tsy hita izany.

 NANATONA NY FITRAMA

Rehefa tsy salama moa dia mivezivezy hatrany ny saina ka nahare ny fisian’ny FITRAMA na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy, tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina izy sy ireo Ray aman-dReniny. Tamin’ny 11 mey lasa teo izy no nanomboka nitsabo tena tao an-toerana ka nozahana ifotony mihitsy ny fahasalamany. Nobataina i Norovony nentina nanatona tetsy amin’ny 67 ha ary efa nitomanian’ireo Ray aman-dReniny mihitsy, raha ny fitantarany. Fantatra tamin’izany hoy i Norovony fa narary ny havokavoko. Toraka izany koa ny fo sy ny aty ary ny vavony dia nisy vato ihany koa ny voako niampy bilarziozy. Nihinana eau florale vita avy amin’ny zava-maniry nanaraka fitsaboana i Norovony nanomboka teo ka anisan’ireny ny amibe, ny nony….

 

 

 

NIHETSIKA FARANY

Na izany aza mbola narary mafy ihany i Norovony raha araka ny fitantarany. Telo andro ny nampiasana ilay eau florale mantsy izy dia nanao krizibe indray izany hoe: ny alin’ny 14 May lasa teo saingy io no fotoana Nihetsehan’ny aretiny farany. Nandoa ra tapaky ny pô izy nandritra izany izay nandroaka be tokoa no sady nisy ihany koa avy any amin’ny orony ary efa tsy nahatsiaro tena intsony. Niakatra be ihany koa ny masony, nihinjitsinjitra ny tongotra aman-tanany. Efa tany amin’ny tontolo hafa i Norovony raha araka ny fitantarany. Efa niady tamin’ny devoly izy noho ny fitazonan’ireto farany ny tanany. Tao anatin’izany ady mafy izany anefa izy no nahita olona niakanjo fotsy manjelanjelatra nanolo-tanana azy ary nandray ka namihina azy. Nambaran’i Norovony tao anatin’izany fa nahita endrik’olona roa nanao ratsy azy izy saingy niteny taminy io olona niakanjo fotsy io fa tsy azo hatao ny mamaly ratsy ny ratsy. Narahin’ireo Ray aman-dReniny vavaka izany ady mafy natrehiny izany. Sitrana soa aman-tsara i Norovony nanomboka teo ary efa matanjaka afaka mandeha irery. Raha araka ny fijoroana vavolombelona nataony omaly dia efa afaka ilay bilarziozy tao anatiny. Efa sitrany ihany koa ny havokavony ka ilay vavony sisa no hany karakarainy ao amin’ny FITRAMA noho ilay aretina efa nahazo faka tao anatiny. Fanirian’i Norovony moa ny hiasa ao amin’ny FITRAMA rehefa tena salama tsara izy hahafahany manohana sy manampy ny mpiara-belona. Ny laharan-tarobia 034 82 780 44 no hahazoana ny FITRAMA ao amin’ny foibe.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT