Sosialy

Noho ny fandalovan-dRavalo Mody nizarana vary ny mpiasan'ny SECREN


  • Talata 09 Aogositra 2022

Nahazo vary avy tamin'ny fitondram-panjakana tarihin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Mpiasan'ny SECREN ((Société d’Etudes, de Construction et de Réparation Navales)

taorian'ny fangatahana nataony Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena na ny VPAN Jocelyne Maxime sabotsy lasa teo", hoy ny vaovaom-panjakana. Samy nahazo vary iray gony avy ireo mpiasa rehetra 568 miasa ao amin'ny SECREN ary efa ao anaty fikarakarana tambin-karaman'izy ireo izay mbola niangaviany VPAN Jocelyne Maxime Ofisialy hatrany izay hivaha tsy ho ela, hoy hatrany ny vaovaom-panjakana. Hatramin'izay, tsy noraharahiana ireo mpiasa, efa hatramin'ny septambra 2021 no nisy fivorian'ny mpitantana sy ny minisitera mpiahy miisa roa, nampanatenaina vahaolana ny mpiasa, saingy nodiana adala. Efa nanao antso tolo-tànana na “SOS” ny harinandro teo satria tena sahirana ny vady aman-janakan’izy ireo. Ny faran’ny herinandro teo, noravana ny antso tolo-tànana. Zava-dehibe ny fijerena ireo mpiasa na tara sy nitarazoka azy. Fifandriafian-javatra ihany ve ny nanaovana izany sy ny fandalovana an’I Marc Ravalomanana any an-toerana ary nahoana no niandrasana ny fandalovany? Heverina anefa etsy andaniny fa noho noho ny fandalovan’I Marc Ravalomanana any Antsiranana no nampikoropaka nanampenana ny vavan'ny mpiasa amin’ny vary tsinjo sao mangataka fanampiana amin-dRavalomanana, ohatra, ireo mpiasan’ny SECREN. Antony hafa mihitsy no anton-dian’I Marc Ravalomanana izay amin’ny lafiny ara-pinoana, saingy mikorapaka hatrany ny Mpitondra. Ny sabotsy lasa teo, nisy ireo naneho tamin’ny fihaonana tamin’I Marc Ravalomanana, fa tamin’ny andro nitondran’ity farany, nahazo karama “13ème mois” ny mpiasan’ny SECREN, saingy amin’izao mijaly sy mitoreo.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT