Sosialy

Noho ny CAN 2019 Mandeha tsara ny varotra “écran plat”


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Nahitana fiovana tanteraka ny varotra fahitalavitra teto amintsika hatramin’ny niantombohan’ny lalao CAN 2019 nandraisan’ny ekipam-pirenena Barea anjara. Mahalafo “écran plat”

 

 roa isan’andro mantsy raha kely ireo tranombarotra vao nisokatra, mahatratra dimy kosa izany ho an’ireo efa nahazatra hatramin’izay. Ilay karazany 32” amin’ny vidiny 615.000 Ar no tena be mpividy indrindra raha araka ny fanadihadiana natao. Izay mividy ity karazany iray ity  mantsy ho an’ireo tranombarotra vaovao sasany dia mahazo decodeur maimaimpoana avy amina orinasa mpandefa ireny karazana fandaharana sy horonantsary avy any ivelany ireny. Tena mandeha ihany koa ny varotra antenne entina manatsara ny sary. Folo isan’andro raha kely no lafon’ireo mpivarotra mandehandeha etsy Tsaralalana ary mahatratra 20 isan’andro ny kaomandy azon’ireo orinasa manana ny marikany manokana. Manomboka amin’ny 15.000 Ar moa ny vidin’ny iray amin’izy ireny ankoatra ny cable izay manomboka amin’ny 2.000 Ar ny vidin’ny iray metatra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT