Sosialy

Noely FIFALIANA Ong Ny Sahy Ankizy niisa 468 no nikorana sy nisakafo teny Ilafy


  • Alarobia 26 Desambra 2018

Ankizy latsaky ny 12 taona niisa 468 manana olana amin'ireo raiamandreny misotro toaka, na mandray zava-mahadomelina, avy avy amin'ny faritra : Ambatobe ambony, Ambatobe Ambany, Ambohikely, Mandrosoa,

 

 

Andranomaizinkely, Andranoritra V, Andranoritra II, Tsarahonenana, Nanisana, Ambohimirary, Ambatomaro, Antoby, Ambanivato, Akaikiniarivo  ao amin’ny kaominina Ankadikely,  Ambohimangakely ary Boriboritany faha-5 no niara nankalaza ny fetin’ny Noely 2018 niaraka tamin’ny Ong Ny Sahy, teny amin’ny foibe toerany eny Mandrosoa llafy ny alatsinainy 24 desambra lasa teo. Niara nandihy sy nihira ary nilalao sy niara nisakafo antoandro indroa ary mbola nitondra fanomezana  nentina nody koa izy ireo tamin’izany. Izany no tontosa,  hoy Andriamamonjisoa Haja filohan’ity Ong Ny Sahy ity, dia noho ireo  fanomezana voahangona nandritra ny hetsika "les courses du coeur" notontosaina tamin'ny 15 sy 16 desambra 2018 niaraka tamin’ny Fondation Telma teny amin’ny Leader Price Antaninarenina ka nanoloran’ireo malalatanana samihafa fanomezana nozaraina ho azy ireo. Nandray andraikitra be tamin’ny fitsirihana an’ireo ankizy ireo ny “Chefs d’Antenne” ny Ong Ny Sahy rehetra.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT