Nihetsika indray ny mpianatra teny amin’ny trano fonenan’izy ireo eny Ankatso ny sabotsy lasa teo.
Antony ny fahatapahan’ny rano, ka nahatonga azy ireo nanakan-dàlana naneho ny tsy fahafaliany. Voasakana hatramin’ny Kamiaon’ny Jirama tonga hanatitra rano. Nahongan’ireo mpianatra rahateo ny « Bonbonne » lehibe fasiana rano teny Ankatso I. Nilaza izy ireo fa miteraka ady amin'izy samy mpianatra ny fakana rano eo, noho izy ireo samy eo amin’ny fotoana fakany rano. Manaraka izany bodoin'olona hafa mipetraka manodidina ny cité ny anjara rano ho azy ireo, ny rano amin’ny robinet anefa tsy mandeha. Mitombo araka izany ny fahasahiranana mianjady amin'izy ireo manomboka eto. « Olona mahavaha olana no tokony hiresaka aminay, “bonbonne” tsy mahavaha olana. Tsy tokony misy olana ny rano mankaty, fa ny fitsinjarana azy mihitsy no misy olana”, hoy ireo mpianatra. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nisy ny fitokonana nataon’ny mpianatra noho ny resaka rano ihany ny 09 novambra niafara tamin’ny fanakan-dàlana sy fandrehetana kodiarana, saingy io miverina io indray. Tsy eny Ankatso ihany moa no misy olana ny famatsian-drano eto Antananarivo, fa saika ny faritra rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.