Sosialy

Nirefodrefotra ny varatra 3 maty teo no ho eo, 2 naratra mafy


  • Alakamisy 28 Martsa 2019

Olona 3 no indray maty tsy tra-drano teo no ho eo, ary 2 kosa naratra mafy ka nentina haingana novonjena tany amin’ny hopitaly satria tena nahiana ny ainy.

 

 

 Nilatsaham-baratra omaly alarobia 27 martsa tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro ireo olona 5 ireo. Tao amin’ny kaominina Sandrakatsy any Mananara Avaratra no nisehoan’ity loza mahatsiravina ity.  Nialoka teo am-body hazo izy ireo noho ny ora-nikija no tratran’izao loza izao, raha ny fampitam-baovao vonjimaika. Toerana anisan’ny misintona varatra ny vodihazo rehefa amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra, ka izay no mety nahalasibatra tsy fidiny ireto olona miisa 5 ireto, izay hirariana mba ho sitrana soa aman-tsara ireo naratra mafy, ary ho tsara levenana kosa ireo maty noho ny hetraketraky ny natiora.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT