Sosialy

Nilatsaka avy eny ambony kamion’ny Samva Ramatoa maty notetezin’ny kodiarana


  • Alakamisy 02 Aprily 2020

Saika handeha hiantsena teny Mahazo ny ramatoa iray monina eny Ambohiomangakely sy ny zanany vavy no sendra ny loza mahatsiravina omaly tokony ho tamin’ny 6 ora maraina.

 

 

 

 Noho ny tsy fisian’ny fiara fitateram-bahoaka noho ny fanapahan-kevitry ny fanjakana hisian’ny fihibohana tsy hiparitahan’ny coronavirus, dia nisavilika an’ireny kamio mpitatitra fako an’ny SAMVA ireny izy mianaka. Noho ny tonga teny amin’ny “ Arrêt Fasana” izay somary fiholahana anefa, ilay fiara nandeha mafy, dia nipitika ka latsaka ity ramatoa ity. Notetezin’ny kodiarana aorian’ilay kamio avy hatrany, ka maty tsy tra-drano. Efa lasa lavitra vao nahita ity zanany vavy fa tsy teo ambonin’ilay fiara intsony ny reniny, saingy indrisy fa efa tsy nisy aina intsony. Izy avy eo no niantso sy nampandre ny fianankaviana. Nitsoaka niala ny fitsaram-bahoaka kosa ny mpamily ity kamion’ny SAMVA ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT