Sosialy

Nikorapaka ny Fanjakana Nekena ny fitakian’ny mpianatra ao Toliara


  • Alatsinainy 01 Martsa 2021

Nomena ireo mpianatra avokoa izay rehetra nangatahin'izy ireo, mitsahatra manomboka io hariva io ny fitokonana ataon'izy ireo,

 hoy ny fampitam-baovao avy tany Toliara ny sabotsy teo, taorian’ny sakoroka sy ny savororovo. Na ny vatsim-pianarana na ny lafiny fotodrafitrasa dia samy nandrosoana vahaolana avokoa ary manomboka anio alatsinainy dia manomboka avy hatrany asa fanatanterahana ny famahana ireo olana ireo. Nidina ifotony nitafa mivantana nifapiresaka tamin'ireo mpianatra teny amin'ny campus ireo solontenam-panjakana izay notarihin'ny Minisitra Tinoka Roberto sy ny Minisitry ny fampianarana Teknika, ny Governora Dr Ranoelson Edally, ny Prefen’i Toliara, ny Solombavambahoaka roa mirahalahy, ireo Raiamandreny solontenan'ny foko 18, ny CFM (Filankevitry ny fampihavanana Malagasy) ary ireo maro hafa ny hariva io. Nilamina ny fifampiresahana toy ny Raiamandreny sy ny zanaka ary ny mpirahalahy, hoy ny tatitra. Nampanantenana ireo mpianatra fa haloa ny vatsim-pianarana 4 volana sy ireo fitakiana. Miharihary ny vono afo avy amin’ny Fanjakana, izay niandry korontana vao manolotra vahaolana. Haloa tahaka izany ihany vatsim-pianarana sy ny fampitaovana koa nahoana no miandry sakoroka, faharatrana, fifamonoana, eny hatramin’ny fanararaotana ka nisiana fandrobana? Efa milamina ve ny lisitra nambara fa anton’ny fahatarana? Tsy any Toliara ihany no misy fitakiana ka dia andrasana ihany koa ny famaliana ny fikatiana manerana ny Nosy satria efa nihetsika ny teto Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa, Toamasina,… Hiandrasana hetsika goavana sy fahasimbana tahaka izao hatrany ve vao hikorapaka sy hitondra vahaolana avy eo boriboriana sy ahilika any amin’ny hafa hoe misy ambadika politika? Sanatrian’ny vava mbola mandeha ihany ilay paikady hoenti-milalao vahoaka amin’izay hitiavana azy na “stratégie de manipulation de masse” hoe mamorona olana na hiniana tsy vahana ny olana misy, dia avy eo mody mitondra vahaolana, ka hosokahiana ho toy ny mahery fo sy Mesia mpanavotra sy mpamaha olana?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT