Sosialy

Nihinana yaourt tsy fantatra Tsy nahatsiaro tena ilay zazavavy kely 10 taona


  • Zoma 25 Novambra 2022

Mbola tsy mahatsiaro tena hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay ilay tovovavy kely 10 taona nihinana yaourt tsy fantatra niaraka tamin-dReniny sy ny zandriny kely iray tao Toamasina.

Araka ny fitantaran'ilay renim-pianakaviana lasibatra ity, dia fianakavian'izy ireo ihany no nanome ilay yaourt raha mamo kosa ilay olona nanome. Avy hatrany dia torana izy 3 mianaka raha vantany vao avy nihinana izany. Tsy nivaky loha akory anefa ilay fianakavian’izy ireo raha araka ny fantatra ary tsy mbola nisy tonga nitsidika azy ireo hatramin’ny omaly hariva hoy ny vaovao. Mbola ao amin'ny trano fameloman’aina, efitrano faha- 12 ao amin'ny sampandraharaha misahana ny ankizy ao amin’ny hopitaliben’i Toamasina moa izy ireo no manaraka fitsaboana koa mangataka fanampiana amin’ireo tsara sitrapo.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT