Sosialy

Nihetsika indray Ambohitrimanjaka “Tsy omenay ny taninay”


  • Alatsinainy 20 Janoary 2020

Nihetsika indray ny mponina eny Ambohitrimanjaka ny sabotsy teo manohitra ilay tetikasa Tanamasoandro, kasain’ny fitondrana ankehitriny hotanterahina eny an-toerana.

Nanamafy ny firaisankinany izy ireo ary nilaza fa tsy hanaiky ny hanome ny taniny ho an’ny fitondram-panjakana na dia sandaina vola aza. Vahoaka an-jatony no tonga nilanja sorabaventy naneho ny heviny mifandraika amin’izany. Fantatra nandritra ny fanadihadiana natao mantsy fa hiroso amin’ny fanatanterahana izany hatrany ny mpitondra ankehitriny ary tsy hihemotra intsony. Tonga nanotrona ireo vahoaka marobe ireo teny an-toerana ny mpahay lalana Arlette Ramaroson izay nilaza fa tsy ampy ny fifandraisan’ny mpitondra sy ny fanazavana tokony ho nomeny ireto vahoakan’Ambohitrimanjaka ireto. Mila miainga amin’ny fampahafantarana tsotra izany raha araka ny fanazavany, niampita tany amin’ny teny nierana, … izay vao midina ifotony fa tsy teren-ko masaka fotsiny, antony tena mampitroatra ny mponina. Nilaza moa ireo mponina fa tsy mivaha ny firaisankinan’izy ireo na dia voalaza aza fa efa nisy 146 vonona hivarotra ny taniny amin’ny fanjakana ary handray vola tsy ho ela.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT