Sosialy

Niharam-boina teny Mahamasina Notoloran’ny CNaPS fanampiana


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

Nanatanteraka hetsika roa ny CNaPS ny zoma 28 jona lasa teo, dia ny fitsidihina ireo mpiray tanindrazana niharam-boina nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena lasa teo sy ny fanatanterahana ny asa tagnamaro,

 

araka ny toromarika nomen’ny fanjakana. Marary nanodidina ny 20 izay mbola tsaboina eny amin’ny HJRA Ampefiloha amin’izao no notoloran’ny tahirim-pirenena fanampiana. Raha tsiahivina, niharam-boina vokatry ny fifanosehana niseho teny amin’ny vavahadin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ireto marary ireto, rehefa handeha hijery « podium » taorian’ny matso. Nisy tamin’ireo marary notsidihina ny zokiolona, ny tanora, ny renim-pianakaviana, ny raim-pianakaviana hatramin’ny zazakely. Nitety ireo sampam-pitsaboana maro tao amin’ny HJRA toy ny fandidiana ny loha, ny ati-kibo, ny vonjy taitra, izany hoe ireo toerana nandraisana ny marary ny delegasionin’ny CNaPS izay  notarihin’ ny tale jeneraly mpisolo toerana ny CNaPS, Rtoa Tsaboto Joslina. Ny asa tagnamaro kosa no hetsika faharoa nataon’ny CNaPS ny zoma lasa teo. Tanjona ny hahazoana tanàna madio, maha te honina ary mahasalama. Ireo mpiasan’ny CNaPS teny amin’ny foiben’ny CNaPS Ampefiloha, mbamin’ireo mpiasa amin’ny biraon’ny CNaPS rehetra eto Antananarivo toa an’i 67Ha, Talatamaty, Sabotsy Namehana, Anosizato, Tanjombato no nanatanteraka izany. Ny toeram-piasana sy ny manodidina no nodiovina.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT