Sosialy

Nidina an-dalambe ny Mpiasan’ny SECREN Netsehina ny miaramila, raikitra ny fisamborana…


  • Talata 09 Novambra 2021

Nidina andalambe nanamafy ny fitakiany ny mpiasan’ny SECREN (Société d’Etudes et de Construction et de Réparation Navales) any Antsiranana omaly maraina.

 Nihazo ny Lapan’ny tanàna naneho ny tsy fahafaliany noho ny mbola tsy fisitrahana karama. Miaramila avy hatrany anefa no nitsena sy nandroaka azy ireo sady nisambotra mpiasa mpitarika roa, raha ny fampitam-baovao azo avy tany an-toerana. Tamin’ny talata herin’ny anio no efa nangotraka ny grevin’ny Mpiasan’ny SECREN nentin’izy ireo nanehoana fa leo ny fampantenana poak’aty sy ny fandrirarirana satria roa volana tsy nahazo karama. Notakian’izy ireo hatramin’ny Fialan’ny Tale Jenealin’ny Orinasa Atoa Ntsay Abel. Tondroin’ny sendikan’ny mpiasa ho tsy mahavita, tsy mahatondra, ka tokony hametra-pialana ny Tale Jeneraly Atoa Ntsay Abel. Izahay tsy mahazo karama, tsy mahazo zo,… io anefa misy “caisse noire” misy fanodinkodinam-bola izany ao, hoy izy ireo ny herinandro teo, ka nilaza fa ramatahora no azo, voaantso any amin’ny polisy sy ny zandary vao miteny,… Voalaza mantsy fa nisy fihaonana ny 06 septambra teo amin’ny Solontenan’ny mpiasa, ny Tale Jeneralin’ny Orinasa Atoa Ntsay Abel, ary ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria Edgard Razafindravahy, ka tamin’izany dia neken’ny Tale Jeneraly ny fandoavana karama isam-bolana avy amin’ny orinasa mitohy, ary ny Fanjakana kosa no handoa ny karama tany aloha mbola tsy voahefa mandeha 50% isaky ny mandoa, araka ny fanambaran’ny mpiasa. Nisy ny fifanarahana tamin’ny 5 oktobra, ka nambaran’izy ireo fa mavandy aminy ny orinasa sy ny Tale Jeneraly kanefa tsy noterena izy nanaiky izany. Sahirana ny mpiasa, sahirana ny vady aman-janaka,… Tsy maty tanteraka fa mbola mahavita miodina, afaka mamelona ny mpiasa ny orinasa, hoy izy ireo. Milaza ho tratry ny fampifilafilaina lava ireo mpiasa, ka manamafy ny fitakiana, saingy miaramila no nitsena azy ireo omaly. Hahazo rariny ve ireo mpiasa mitaky ny valin-katsembohany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT