Saika tonga manao fanamarihana sy mangata-panazavana manoloana ny fidangan’ny vidin-jiro tampoka tafakatra hatrany amin’ny 80% eny amin’ny masoivohon’ny Jirama ny vahoaka amin’izao, raha tsy hilaza afa-tsy ny teny 67Ha omaly.
Toa niakatra avokoa na latsaky ny 25kwh aza ny fandaniana. Raha 50 000Ar isam-bolana eo ho eo ny vidin-jironay, dia lasa 90 000Ar mihoatra amin’izao fotoana izao, hoy ny renim-pianakaviavana iray. Maro ny mpanjifa mihevitra fa halatra bevava na mety ho fahadisoana goavana teo amin’ny fomba fikajiana izao, ka tezitra sy mampiaka-peo. Toa tsotra ny an’ny Jirama eo anatrehan’ny zava-misy hoe izay voasoratra dia voasoratra. Nirehareha fatratra ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, fa efa 182Mwh izao no vokarin'ireo milina 3 eny Ambohimanambola, ampy tsara amin’ny famatsiana ka ny fahanteran'ny "transformateurs" na ny tambajotra tariby no mety hiteraka fahatapahana. Ny orinasam-bahiny mpibizina sy tsy mitady afa-tsy izay tombony amin’ny fivarotana angovo amin’ny Jirama no hireharehan’ny filoha, dia ny orinasa Amerikanina ny Symbion Power, ny Noor 1 sy Noor an’ny orinasa Jovena. Ny Jirama kosa tsy hita izay tena fanarenana, ka ny vahoaka no terena hameno ny fatiantoka satria tanjona ny hisian’ny fahaleovantena ara-bola mba hanafoanana tsikelikely ny fanampiana na ny “subvention” avy amin’ny fanjakana. Miandry vahoaka hitroatra sy hidina an-dalambe manoloana izao zioga hampitondraina azy izao ve vao hikorapaka ?
Tsy iharan’io fisondrotana io ny mpanjifa manana fandaniana latsaky ny 25kWh. Mizara roa ny vidin-jiro ho an'ny “tarif 14”: ny “tranche” voalohany hatramin'ny 25kWh dia 141 Ariary ny 1kWh. Raha mihoatra an'io 25kWh io kosa, dia anatin'ny ampahany na “tranche” faharoa indray izany, io dia nisy fiakarany kely. Ny ny “tarif 16”, dia nisy fizarana ho ampahany 2 ihany koa ka hatramin'ny 130kWh ny voalohany ary ny ambin'ny fandaniana no “tranche 2” dia 370Ar/kWh ary ny “tranche 1” dia 205Ar/kWh. Manomboka ny faktiora janoary 2018 dia lasa vidiny tokana 370Ar/Kwh na firy na firy ny fandaniana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.