Sosialy

Niakatra ny vidin’ny entona fandrehitra Lasa nofy sisa ny vina fikajiana tontolo iainana


  • Talata 05 Jolay 2022

Matetika niverimberina teo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy nandritry ny fitantanan’ny minisitra teo aloha, Baomiavotse Vahinala Raharinirina,

nitohy tamin’ny fiarahany niasa tamin’ny minisitra lefitra nampisahanina ny fandrakofana ala, Haingosoa Hortensia Antoinesia, ny hoe ho atao zakan’ny rehetra ny vidin’ny entona fandrehitra na “gaz”. Matetika nandeha tamin’ireny fotoana ireny ny serasera fa nisy hatrany ny fifanarahana tamin’ireo mpandraharaha voakasik’izany mba ahitana ny marimaritra iraisana ahatongavana amin’io vidiny zakan’ny rehetra io. Niakatra efa manafosafo ny 60.000 Ariary indray ankehitriny ny vidin’ny 9 kilao amin’ny entona fandrehitra, raha ny hita teny amin’ireo tobin-tsolika omaly. Lasa 59.700 Ariary ny iray tavoahangy amin’io lanja io raha toa ka 57.700 Ariary izany, hoy ny mpanjifa tavoahangina marika iray. Nisy fisondrotana 2000 Ariary. 82.500 Ariary ny 12 kilao, raha ny vidiny teo aloha, hoy ny sasany. 87.000 Ariary izy ao izao, hoy kosa ny hafa. Ny aty avaratra ve izany tsy efa 100.000 Ariary, hoy koa ny fanahian’ny olompirenena sasany? Lasa nofy indray araka izany hatreto ny vina fikajiana tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanamorana ny fampiasana entona fandrehitra ho an’ny isan-tokantrano eto Madagasikara.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT