Sosialy

Niakatra ny vidin-tsolika Ho henjana kokoa ny vidim-piainana


  • Talata 12 Jolay 2022

Ny rehetra mihitsy no tsy maintsy hiakatra manomboka anio Talata 12 Jolay eny an-tsena sy eny amin’izay toerana

tsy maintsy aleha eny taorian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika omaly. Raha araka ny feo re teny rehetra teny mantsy dia tsy maintsy hanamboatra ny fidiram-bola avokoa ny rehetra manomboka izao ho setrin’io fiakaran’ny vidin-tsolika io. Santionany amin’izany ireto nanaiky niresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ireto. Razisy, mpivarotra anana : Izay vao tena ho lafo ny anana. Mety tsy hahazo intsony 200 Ar indrindra raha miakatra tokoa io saran-dalana io manomboka androany. Tsy maintsy alainay mpivarotra amin’io saran-dalana miakatra aloha io mantsy ny vidin’ireo entana alaina eny Anosibe isa-maraina ankoatra ny sandan’ny havizanana. Dia aoka isika mpanjifa tsy himenomenona fa mitovy daholo ihany isika e ! Randria, mpamily taxibe : Tsy maintsy hampiakatra saran-dalana izahay manomboka androany. Aiza ve dia tafakatra 5900 Ar ny iray litatra amin’ny gazoala raha 3400 Ar teo aloha ? Miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny UCTU kosa anefa ilay fanaovana izany ho 1.000 Ar na latsak’izay. Ny mpampiasa koa tsy hanaiky fa tsy maintsy feno hatrany ny versement isan’andro vao afaka mody. Tena mavesatra ho an’ny vahoaka madinika ilay fiakarana saran-dalana saingy tsy afa-manoatra ihany koa izahay mpitatitra. Ny fanjakana no tokony hihetsika e ! Feno, mpamily fiara karetsaka : Omaly no efa nanomboka nampiakatra saran-dalana izahay. Vao niakatra 5900 Ar fotsiny ny iray litatra tamin’ny lasantsy omaly raha 4100 Ar teo aloha dia efa nampiakatra izahay. Ilay course 10.000 Ar teo aloha izao efa lasa 15.000 Ar tsy misy ady varotra intsony. Betsaka tamin’ireo mpanjifa aloha no nitaraina omaly fa tsy maintsy izay no zava-misy iainana e ! le fanjakana koa tsy hita mihitsy izay hataony. Mety ho tonga any amin’ny fipoahana ara-tsosialy ihany ity raharaha manga ity.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT