Sosialy

Niaiky ny minisiteran’ny mponina “Misy manararaotra ny vatsy tsinjo”


  • Talata 22 Febroary 2022

Tsy mitaza-potsiny ny zava-misy ao Mananjary ny fitondram-panjakana, hoy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny mponina omaly.

Nisy vary 60 taonina tao Nosy varika natao Vatsy tsinjo, hoy ny talen’ny kabinetran’ity minisitera ity, Yan Wilfried Ramananirina. Nisy nalaim-panahy indray tao. Asa na nisy namoaka tao ilay izy dia namidy tery ivelany tery. Nitabataba amin’izay ny vahoaka. Ny ao Mananjary koa misy fanampiana. Misy manararaotra ny sasany satria tadidio fa ny lalana izao mbola betsaka no tapaka. Isan’ny mahatonga olana ao Ikongo izany. Raha hitondra entana be dia be ianao dia tsy maintsy mila fiarabe be dia be koa nefa na ny lalana aza tsy maha afaka fiara kely sy moto. Tsy maintsy atao tati-bitsika aloha. entina amin’ny fiaramanidina dia alatsaka ao. Efa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana mba hanamboarana ny lalana ahafahan’ireo fiara tafiditra ao amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT