Ny kopia mari-pahaterahana no fototra maha olona ny olona iray, hoy i Nantenaina mpihira.
Mbola betsaka anefa ireo tsy manana izany, antony nanosika azy hikarakara ilay hetsika fizarana kopia mari-pahaterahana faobe izay hatao ao Toamasina. Ny 23 aogositra ho avy izao no hanatanterahana izany any an-toerana raha mbola afaka misoratra anarana ireo izay taraiky. Tanjona ny hahafahana mampihena ny tahan’ireo zaza tsy tafiditra an-tsekoly noho ny resaka kopia, hoy i Nantenaina. Toraka izany koa ireo tanora feno 18 taona tsy mahita asa satria tsy manana kopia sady tsy manana kara-panondro ka tsy maintsy jerena akaiky. Risi-po manokana avy amin’ity mpihira ity moa no nanaovany izany entina hanatsarana ny sosialim-bahoaka. Mikasika ny fampisehoana hotontosainy manokana dia fantatra fa ho eny Sabotsy Namehana ny tarika Nantenaina ny 26 aogositra ho avy izao ary hitodi-doha avy hatrany any Sainte Marie aorian’izay, hanomezana fahafaham-po ilay mpiala sasatra tonga any an-toerana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.