Sosialy

Nanomboka ny janoary no ho nankaty Miisa 4 tapitrisa ireo Malagasy lasa nahantra


  • Alakamisy 07 Oktobra 2021

Ny taona 2011 ny antoko politika Humaniste écologiste na HE Mada no nanoratra ny boky mitondra ny lohateny hoe “Crise interminable”,

hoy izy ireo, tetsy amin’ny Resto Tsiky Ambohijatovo omaly. Mbola miaina izany krizy tsy mety tapitra izany I Madagasikara hatramin’izao. Raha jerentsika ny tombana tao anatin’izay 3 taona nitondran’ny filoham-pirenena izay dia nahitanay tarehimarika fa misy mahantra vaovao miisa 4.000.000 nanomboka tamin’ny janoary 2021. Rafitra iraisampirenena no namoaka izany. niampy 1.000.000 ny olona kere sy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo. Kely sisa ny dolara dia ho tafakatra 4000 ariary. Ny Euro efa ho 5000 ariary. Ny politikam-panjakana nefa dia nametraka hoe 155.000.000 dolara no nampiasaina hitazomana ny ariary. Tsy tratra izany noho ny fandaniam-bola amin’ny haitraitra. Ilaozana manafatra entana indray izao. 1,1 miliara dolara ny vola azontsika hiadiana tamin’ny Covid 19. Nahazo 300 miliara ariary isika avy eo. Tsy nisy vokany izany rehetra izany noho ilay tsy fahaiza-mitantana. Tsy misy mihitsy ny fitsinjaram-pahefana. Hanao karnem-pokontany ve dia tsy maintsy miandry ny ministeran’ny atitany? Ny zava-bita anefa EPP manara-penitra saingy ny mpianatra ao aminy tsy manara-penitra. Raha hiresaka Colisee isika, ohatra, dia tsy hiady hevitra intsony izay hoe nanota fady sy novana ny paozin’ny rova fa ilay fanarahan-dalana no tianay apetraka hoe na dia tetikasan’ny filoham-pirenena aza io dia tokony nandalo tao amin’ny kaominina no manapa-kevitra satria hikitika vakoka iray ao anaty kaominina ianao. Toy izany koa ny teo anivon’ny CENI. Nisy lalana tao hoe afaka mikambana ao ny mpanohitra saingy nofoanana mangingina tao, hoy hatrany ny HE Mada.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT