Sosialy

Nangalarina tao amin’ny hopitaly Nisy nametraka teo an-dalana ilay zaza


  • Talata 18 Septambra 2018

Vao teraka telo andro monja no nisy nangalatra tao amin’ny CHU Androva Mahajanga ny 12 septambra teo ny zazakely antsoina hoe i Maminirina.

 

 Tsiahivina fa vehivavy nisandoka ho mpitsabo mpanampy ary nanao “badge stagiaire” no nangalatra azy tamin’izay ka tsy hita nanomboka teo ity zazakely ity. Omaly maraina anefa, nisy nametraka tao anaty harona teo amin’ny lalankely akaikin’ny tsena iray tao Mahabibo Mahajanga izy, ka mpivarotra namoha tsena maraina no nahita azy. Efa eny am-pelatanan’ny ray aman-dreniny kosa ity zazakely ity, 4 andro taty aorian’ny nangalarana azy. Voamarina fa tena ilay zaza very tokoa ilay hita. Nanamarina izany ny fizahana nataon’ny mpitsabo sy ny fanamarinana nataon’ny ray aman-dreniny dia ny fisian’ny hamatra ao amin’ny lamosiny. Mety nenjehin’ny eritreriny ilay tompon’antoka ka naleony namerina ilay zaza tamin’ny alalan’ny fanariana azy. Toe-javatra tsy dia fahita ny resaka hala-jaza toa iny endrika iray nisehoany iny, saingy mety efa nisy ny nahazo lesona, ka ilaina ilaina hatrany ny mailo. Mila hentitra ihany koa ny fanaraha-maso eny anivon’ireny hopitalim-panjakana lehibe ireny.

Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT