Sosialy

Nandositra ny kere Efa misy tonga any Nosy-Be


  • Alatsinainy 18 Janoary 2021

Efa misy tonga any Nosy-Be ireo mponina nitsoaka ny kere avy any amin'ny faritra Atsimo.

 

 

 

 Avy any Bekily ireto andiany voalohany tonga ireto fa maro no miampita miazo an’i Nosy Be isan'andro ary zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Manan-kavana ao an-toerana ny sasany amin'izy ireo. Noraisina tao amin'ny Kaominina izy ireo ary nanaovana fanadihadiana tsotsotra mba ahafantarana ny mombamomba ny tsirairay sy izay handray azy ireo mpifindra monina ireo ao Nosy Be. Manahy ny mety hitomboan'ny tsy fandriampahalemana sy fahasimban'ny tontonlo iainana ny Ben'ny tanàna Vita Gilbert. Nanolotra vary ho azy ireo ny solombavambahoaka Razafindravony Marifidy Christine natao sakafo omaly. Samy nanolotra lelavola ihany koa izy sy ny Ben'ny tanàna nividianana laoka.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT