Sosialy

Nanazava ny Jirama Hisorohana fitambarany be ny "Facture estimée"


  • Zoma 06 Aogositra 2021

Hisorohana ny "cumul de consommation" na ny fitambaran'ny vidin-jiro ka mahatonga ny mpanjifa ho voatery mandoa vola be indray mitontona no antony nametrahana ny "Facture estimée", hoy ny Jirama.

Misy soratra hoe “ESTIMÉE” eo amin'ny toeran'ny “Nouvel index” amin'ny faktiora. Entanina hatrany noho izany ny mpanjifa handefa ny “index” na amin'ny hafatra miafina amin'ny pejy Jirama Ofisialy, na amin'ny laharana maitso 3547, na amin'ny mailaka service-client@jirama.mg, na koa amin'ny Application Mobile sy ny Agence en Ligne, ary ihany koa afaka apetraka eny amin'ny masoivoho Jirama rehetra, hoy ity orinasam-panjakana ity. Na izany aza, maro ny mpanjifa manao antso avo amin’ny Jirama mba hisian’ny fiverenana amin’ny laoniny sy ara-potoana ny fakana isan-tokantrano ny fandaniana satria manahirana ny mpanjifa ny zava-misy indrindra fa amin’ilay kajikajy sy tombatombana izay misy tokoa ny lasa latsaka ambany be, saingy lasa vesatra goavana ho an’ny fandoavam-bola aoriana.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT