Misehatra eo amin`ny lalam-pihariana lavanila ny 90%n`ireo mponina any Sambava.
Misedra olana anefa izy ireo ankehitriny noho ny fitotongan` ny vidin` izany. Ao anatin` ny andro vitsy monja dia ahitana fidinana be ny vidin` ny lavanila. Mitatitra amin` ny vahoaka izay nifidy azy sy manao antso avo amin`ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ireo depiote voafidy tany Sambava, Mamangy Norbert (depiote Jack) sy Ange Richard mba hijery akaiky izao toe-draharaha izao. “Mitotongana 100 000 ariary ny lavanila any amin` ny faritra SAVA tao anatin` ny roa andro. Mitaraina ny mpamboly sy ny mpandraharaha noho izany ka miantso ny fitondrana” hoy ny depiote Mamangy Norbert. Namafisiny hatrany fa noferana 250 dolara ny vidin` ny lavanila eto amintsika. Tafiakatra ambony loatra izany ka any amin`ny firenen-kafa no mividy lavanila ireo mpandraharaha mpanafatra teratany vahiny fa tsy mividy eto Madagasiakra satria lafo loatra, hoy ihany izy. Nomarihany fa any Kaomoro dia 150 dolara ny fetra. Manoloana izany dia mitaky fanaovana latabatra boribory hamahana malaky ity olana ity, ireto solombavambahoaka tsy miankina ireto. Namafisin` ny depiote Jack hatrany fa tsy misy ambadika politika izao antso avo izao fa fanairana mba hijery akaiky an`ireo mpisehatra momba ny lavanila any Sambava. Tena mba mahagaga sy mahatalanjona hoy ny depiote Jack fa olom-bitsy avy eto Antananarivo no lasa mahazo tombony amin’ny lavanila raha toa ka miha sahirana kosa ireo mpamboly sy mpandraharaha any amin’ny faritra SAVA.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.