Sosialy

Nampihinanin’ilay vazaha maloto ny sipany


  • Zoma 05 Jolay 2019

Anisan’ireo tranga mamoafady nihatra tamina vehivavy Malagasy nisakaiza tamina teratany vahiny iray ny fampihinanana maloto.

 

 

 

 Noheverin’ilay renim-pianakaviana fa  efa tafahoatra loatra ankoatra ny vita hafa izany ka izao izy vao nahasahy nitory teny amin’ny polisy. Rangahy iray avy ao La Réunion  no voasambotra ny talata 3 jolay  lasa teo noho ny  resaka fampijaliana sy fanaovana toetra mamoafady tamina vehivavy teratany Malagasy sakaizany.  Nitory ilay vehivavy iray ary nilaza fa nampijalian’ny sakaizany izay efa niaraka taminy an-taonany maro ary efa nanan-janaka izy ireo. Tsy vitan’ny vono no mahazo azy fa nasain’ity sakaizany nihinana ny malotony koa. Natahotra ny ho faty moa izy satria nambanany ny antsy  ka dia nanaiky tsy fidiny.  Nosamborina avy hatrany ity teratany vahiny ity. Marihina fa mivezivezy eto Madagasikara sy La Réunion ilay rangahy ary manome vola ilay vehivavy. Nambarany fa lanin’ilay vehivavy avokoa ny vola sady saro-piaro amin’ilay vehivavy izy.

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT