Nampiaka-peo ny SEMPAMA

« Melohina ny nanerena ireo mpampianatra nampandany IRMAR »


  • Talata 07 Janoary 2025

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Sendikan’ny Mpampianatra Manerana ny Nosy na SEMPAMA

teo anatrehan’ny tsindry ara-politika maro samihafa nanaovana ny mpampianatra sy mpanabe noterena nampandany kandida volomboasary nandritra ny fifidianana farany teo. «Nampiasaina ireo mpampianatra (DREN, CISCO, Tale, mpampianatra tsotra,…) nampandaniana ny kandidam-panjakana. Izay tsy nanaiky sy nanda na nanao fa tsy nahafa-po dia niharan’ny famindran-toerana. Tsy misitraka ireo zo samihafa fa mianton-tena », hoy ny Filoha nasionalin’ny SEMPAMA Atoa Raharovoatra Claude. Nambarany fa miteraka zava-doza ho an’ny fampianarana, tsy manana faharisihana ny mpampianatra, tsy manana zotom-po, tsy mahatsapa fa ity anie ka miantoka ny ho avin’ny Firenena,... Tena zava-doza raha izao no mitohy, hoy ny SEMPAMA tamin’ny alalan’Atoa Raharovoatra Claude. Tsy vao sambany ny karazana tsindry atao amin’ny mpiasam-panjakana rehefa akaiky fifidianana tahaka izao, izay zary lasa fomba fiadin’ny mpitondra sy manam-pahefana samihafa ho an’ny tombotsoa politika.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT