Sosialy

Nampaneno lakolosy ny tantsaha CPM Zara raha 5,1% ny tetibolan’ny fambolena, fiompiana, jono


  • Zoma 30 Jona 2023

Mampaneno lakolosy ny Fikambanan’ny Tantsaha mivondrona ao anatin' ny Firaisankinan'ny Tantsaha eto

Madagasikara na CPM (Coalition Paysanne de Madagascar), taorian'ny fanadihadiana izay nataon’izy ireo mahakasika ny Fambolena sy Fiompina ary ny Jono. Nisy noho izany ny fanambarana sy hafatra goavana nataon’izy ireo omaly 29 jona teto Antananarivo, miantefa ireo any amin’ny ambaratongam-pahefana samihafa manomboka amin’ny Filohan’ny Repoblika, Filohan’ireo andrim-panjakana, loholona sy solombavambahoaka, Mpikamban’ny governemanta, Governora, Ben’ny tanàna manerana ny Nosy, fa indrindra ireo manam-pikasana hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena. Manana herijika goavana i Madagasikara ahafahana mampiroborobo ny fambolena sy fiompiana ary ny jono isika satria: velaran-tany 35 tapitrisa hekitara mahery no azo volena, kanefa dia 2 tapitrisa hekitara monja no mbola voatrandraka ; manana morontsiraka mirefy 5.600 Km sy dobo mitotaly 1.500 Km² izay hahafahana mampivelatra tsara ny jono ; manana karazana omby fakana hena mihoatra ny 9 tapitrisa sy ombivavy beronono manodidina ny 36.000 isa. Manana voly fanondrana maro tsara kalitao tena tadiavina eo amin'ny tsena iraisam-pirenena: Litchi, ny Vanilina, ny kafė, ny Jirofo dipoavatra,… Tsy misy afa-tsy ny fampiroboroboana ireo sehatra 3 ireo no sady hahafahantsika mamorona asa marobe, ahafahantsika miady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo, ka hananantsika ny fiandrianana ara-tsakafo sy hanafoana ny mosary, mba handresena ny fahantrana izay mikiky ny tontolo ambanivohitra, hoy hatrany ny CPM.
HIVINY NY TETIBOLA, AMPIHARO NY FIFANARAHAN’I MALABO «Somary diso fanantenana izahay tantsaha raha nahafantatra taorian'ny fanadihadiana izay natao, fa tato anatin'ny 4 taona farany izao dia 5,1% ny teti-bolam-panjakana ankapobeny ihany no mba tetibola natokantsika ho an'ny Fambolena sy Fiompiana ary jono. 0,6% ny harikarena faobe ihany no taham-pisondrotan'ny harikarena avy amin'ny fambolena sy fiompiana ary jono. Tarehimarika izay hita fa tena mifanalavitra tanteraka tamin'ny tanjona napetraky ny Fifanarahana tany Malabo, Guinée Equatoriale, tamin'ny taona 2014”, hoy ny CPM tao anatin’ny fanambarana novakian’Atoa Rakotomandimby Hajasoanirina. Nampahatsiahy fa firenena miisa 53 eo anivon'ny Firaisambe Afrikana no niara-nanao sonia ka nametrahana ho tanjona ny: Fanokanana vola mihoatra ny 10% ny teti-bolam-panjakana ankapobeny isan-taona mba hanohanana ny fampiasam-bola eo amin'ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ary jono io; Ary hoezahina tsy ho latsaky ny 6 % ny harikarena faobe ny fitombon'ny harikarena avy amin'ireo sehatra telo ireo. “Manahy izahay fa toa hadino tanteraka izahay Tantsaha, izay mandrafitra ny 85 % ny mponina, ary tsy voajery araka ny tokony ho izy ny seha-pambolena sy fiompiana ary ny jono, izay tokony ho kitro ifaharan'ny fampandrosoana eto amintsika”, hoy izy ireo. Noho izany, nanao antso avo amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra io Tambajotran’ny tantsaha io, mba hametraka paikady mazava sy hiara-hientana amin’ny tantsaha hanatrarana io tanjona tao anatin’ny Fifanarahan’I Malabo io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT