Ny faritra SAVA no nanome isam-bato ambony indrindra 86,83% ho an’ny kandida Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ny taona 2018.
Isan’ny fampanantenana nataony tamin’izany fotoana izany ny hampiakarana avo telo heny ny vidin’ny lavanila, ankoatra ny fampanantenana maro sosona. Toa nisy mihitsy aza ny fivoizan’ny mpanao politika sasany sy nanasana ny lohan’ny mpamboly, fa hitotongana tanteraka ny vidin’ny lavanila, raha ny kandida Ravalomanana no lany eo. Ankehitriny efa ny Filoha Rajoelina no mitondra, mitotongana avo telo na efatra eny ny vidin’ny lavanila, fa tsy araka ny fampanantenana, na dia tsy miova firy aza ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Eo anelanelan’ny 40.000Ar sy 50.000Ar ny lavanila manta raha tokony ho 200.000Ar sy 300.000Ar, ary lasa 200.000Ar ny maina raha tokony ho 1 700 000Ar ny kilao. Ny mpamboly niaritra jaly sy hatsiaka tany anaty ala nandritra ny volana maro sady mbola tara koa ny tsena amin'izay. Izahay tsy afaka nanao fitadiavam-bola hafa fa niandry lavanila tany anaty ala tany ka sahirana izahay izao, hoy ny fitarainana. Tapa-bolana lasa izay, nitsidika tany amin'ny faritra SAVA ny minisitry ny Indostria, ny varotra sy ny asa tanana Rtoa Rakotomalala Lantosoa, nilaza fa haorina any SAVA ny “World Vanilla Complex”, ivon-toerana mari-pamantarana lavanila eto Madagasikara. Rahoviana ny vokatr’izany no hositrahana? Sao fampanginana ny fahatezeran’ny olona fotsiny ? Hoy ny fanontaniana. Etsy ankilan’izay midangana ny vidim-piainana kanefa ny vola tsy misy mazava ho azy, indrindra ao amin'ny distrikan'i Sambava any amin'ny faritra Bemarivo ambony (Amboangibe, Anjialava, Ambatoafo, Bevonotra, Morafeno, Ambalasorona, Antsahavaribe, Antsahabe, Befamelona, Melokanarana sns) 2000 Ar ny paty presto iray, 2000 Ar ny atody iray, 1200Ar ny kapoakam-bary,… hoy ny fampitam-baovao. Miandry valim-babena ny vahoakan'i SAVA!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.