Sosialy

Nampanantenaina poakaty “S.O.S” sisa iveloman’ny mpiasan’ny SECREN


  • Talata 02 Aogositra 2022

Efa ho an-taonany tsy voavahan’ny Fanjakana ny olan’ny mpiasan’ny SECREN (Société d’Etudes, de Construction et de Réparation Navales) any Antsiranana.

Vokany miantso vonjy ny mpiasa tsy nahazo karama 9 fanjava. Fitia tsy mba hetra manomboka omaly 1 aogositra hatramin’ny 7 aogositra no ataon’ny mpiasa sy ny vady aman-janany. Ny septambra 2021 no efa nambara fa hovahana ny olana. Tonga teto an-drenivohitra ny delegasiona avy any amin'ny orinasa SECREN, ahitana ny Tale Jeneraly Ntsay Abel izay rahalahin’ny Praiminisitra, ireo mpikambana eo anivon'ny filan-kevi-pitantanana ary ny solontenan'ny mpiasa miisa 11. Nisy ny dinik'asa notanterahana tetsy amin'ny Carlton Anosy niarahan'izy ireo tamin'ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Nanotrona azy amin'ny fandrosoana vahaolana ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga. Nambara mihitsy tamin’izany fa haloan’ny fanjakana ny ampahany amin’ny karama notakin’ny mpiasan’ny orinasa SECREN Antsiranana. Misy ny ifamenoana amin’ny orinasa amin’ny fandoavana azy, ary mitohy koa ny fifampiresahana amin’ny tomponandraikitra mahefa. Anisan’ny drafitra fohy ezaka ireo fa hapetraka kosa ny vaha olana maharitra hanatsarana ny famokarana sy tsy hisian’ny olona miverimberina amin’ity orinasa ity, izay tao anatin’ny fitokonana fitakiana karama 4 volana nandritra ny herinandro vitsivitsy izay, izany hoe: efa nialohan’ny septambra 2021. Aiza izany ankehitriny sa ny mpiasa no mila voatsiary ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT