Sosialy

Namontana Nesorina ireo mpivarotra amoron-dalana


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Noho ny toromarika avy amin’ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, ny kolonely Ramboasalama Emilien ary noho ny fahitana fa maloto sy mikorontana ny tsenan’i Namontana sy ny manodidina, dia nanala ireo mpivarotra amoron-dalana sy nandamina ny tsena,

 ny ekipan’ny Boriborintany fahefatra sy ny avy ao amin’ny fiadidiana ny Lapan’ny Tanàna. Nesorina avokoa ireo mpivarotra mivarotra ivelan’ny tsena, tokony hiala tamin’ny fito maraina isan’andro. Marihina fa ny “Association FILAMATRA” no manadio ny ivelan’ny tsena isan’andro, nefa noho ny fipetrahan’ireo mpivarotra eo amin’ny sisin-dalana dia tsy afaka manatanteraka ny asa andavanandrony izy ireo. Izay indrindra no nahatonga izao fandaminana izao. Mba hampaharitra ny filaminana dia hitohy ny hetsika ka hatao in-droa isan-kerinandro. Rahampitso dia anjaran’ny tsenan’Ankadimbahoaka indray no halamina. Rehefa vita izay dia hatomboka ny fanadiovana faobe eny amin’iny faritra iny.

Nangonin’i RTT

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT